Prendre contact
Lot VF 60 Mahamasina Nord – Antananarivo 101, Madagascar
craad.madagascar@gmail.com
Ph: +261 32 60 343 61

FITRANDRAHANA ANY VATOVAVY FITOVINANY : Manome dimy andro hialan’ny Sinoa ny mponina

Mpikarama an’ady no fiheveran’ny olona an’ireo mpanao gazety sasany nisolantsolana nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ary azo heverina fa izany no nanimba ny tolona ho an’ny fahalalahana. 26 août 2016

Miteraka olana anefa izany satria ankoatra ny fahapotehan’ny tontolo iainana dia simba ihany koa ny seha-piharian’ny mponina.

Ekana fa tsara ny  fahatongavan’ny mpandraharaha eto amintsika saingy  raha amin’ny alalan’ny terisetra sy famitahana no ahafahan’izy ireo  miditra eto amintsika dia korontana hatrany no vokany.

Manome 5 andro ny Sinoa mpitrandraka volamena ao an-tanànany ny  vahoakan’ i Vohilava, Kaominina miala 60km an’i Mananjary Vatovavy  Fitovinany, hanalan’ny Sinoa ny fitaovana fitrandrahana volamena ao  an-toerana. Voalazan’ny Ben’ny tanàna sy ny Raiamandreny maro ao  Vohilava fa ireto Sinoa ireto dia avy dia nitrandraka volamena tao  an-toerana fa tsy nandalo tamin’ny Kaominina akory no tsy nampiseho  taratasy fahazoan-dalana hitrandraka volamena. 

Miasa andro aman’alina ny milina fitrandrahana, ka ny tanimbary sy ny  renirano fantsakan’olona no fidiovana araka ny fomban-tany any no  handiovany ny volamena, ka maloto noho ny fampiasana merkiora ny rano.  Atahorana hiteraka aretina mihitsy aza izany. Ireto Sinoa dia milaza tsy  mahay miteny gasy ary tsy maka mpandika teny akory anefa izy ireo.  Nilaza ny ben’ny tanàna fa efa imbetsaka no nitaraina tany amin’ny  Distrika ny tenany momba ny fanapotehana ny tontolo iainana nataon’ireto  Sinoa ireto fa tsy mihetsika ny Distrika.

Izany indrindra no antony nanomezan’ny  mponin’i Vohilava 5 andro ny  Sinoa hanalàny ireo milina fitrandrahany volamena fa raha tsy izany dia  ny fokonolona no handray an-tanana amin’nyraharaha ary hanala izany avy  hatrany.

Tsy mazava ny nahazoan’ny Sinoa alalana hitrandraka

Miantso ny zanaka malagasy rehetra ny zanak’i Vatovavy Fitovinany  hanohana ny fanesorana ireto Sinoa ireto. Mampametra-panontaniana kosa  hoe iza no nanao sonia nanome alalana ny fitrandrahana volamena tsy  manarapenitra toa izao ? Iza no nanao sonia ny fampidirana ny milina  fitrandrahana volamena toa itony. Ny soson-kevitry ny fokonolona any  an-toerana dia tokony hatsangana ny Dinam-pokonolona eny ifotony momba  ny tsy mety ataon’ny teratany vahiny raha toa tsy misy fandraisana  andraikitra ataon’ny Fanjakana mahefa. Satria maro loatra ny vahiny  ratsy saina no tafiditra eto Madagasikara.

 

Source: http://www.inovaovao.com/spip.php?article17277

 

We use cookies to give you the best experience.