Niarahan’ny maro nahita tany amin’ny gazety tamin’ny volana Mey 2017 fa nisy fandroahana mponina zato mahery sy fandravàna trano 26 tany Miadanandriana ao amin’ny kaominin’Ampefy, nateraky ny fahatongavan’ny herim-pamoretana nanatanteraka didim-pitsaràna nivoaka tamin’ny taona 1985 tany ho any.
Sendra niara-nametraka fangatahana titra ireo mpiara-monina tao an-tanàna tamin’izany fotoana izany no nisy disadisa niseho nampisara-bazana sy fisehoan-javatra hafahafa ka nanjary nisy vitsy an’isa nahazo titra amin’ny tany manontolo 49 hekitara, moa ny hafa tsy nahazo fa nasaina niala. Nametraka fitoriana teo amin’ny ambaratongan’ny fitsaràna samihafa ireo maro an’isa saingy resy. Nahatsapa fa nanana ny rariny izy ireo ka tsy nanaiky hiala teo amin’ny taniny.
Rehefa tonga nanao be sandry ary ny herim-pamoretana zandary sy polisy niisa 32, dia sahy nijoro niaro ny taniny nojariany efa am-polotaona maro sy ny trano fonenany ary ny fananany ireo mponina ka notànana am-ponja ny efa-mianaka : Andriamatoa Mamy Mampionona Jean Claudie 69 taona, Andriamatoa Rasata Robert Manendrika 60 taona, Ramatoa Saholinirina 49 taona ary Ramatoa Rahelimalala Lucie 40 taona mbola mitaiza kely.
Handalo fitsaràna indroa miantaona ny lafiny samihafa amin’ity raharaha ity ny alarobia 18 oktobra sy ny talata 24 oktobra ho avy izao.
Eo am-piandràsana izany dia manao antso avo ny fikambanana CRAAD-OI sy Collectif TANY
Vao tsy ampy tapa-bolana mantsy izao no nanao fanambaràna ny CRAAD-OI sy Collectif TANY mikasika ny nampidirana am-ponja an’Andriamatoa Raleva any Mananjary noho izy nangataka ny hampisehoana ny mponina ny taratasy manamarina fa nahazo alàlana hiverina hitrandraka ny orinasa sinoa izay nahaton’ny tompon’andraikim-panjakàna volana vitsivitsy lasa izay : http://terresmalgaches.info/spip.php?article177.
16 oktobra 2017
Copyright 2016 - CRAAD-OI Madagascar